airtel

Fandriampahalemana

31-août-2026

TOVOLAHY VAO

AFA-PANADINANA BAKALOREA

Sample post image

Nahavita namono nahafaty ny Reniny

31-août-2026

Zava-doza no nitranga tany Andranomadio Foulpointe afak'omaly Sabotsy 29 Aogositra alina. Tovolahy iray vao 20 taona monja no nahavita namono nahafaty ny Reniny niteraka azy. Izy mianaka irery no tao an-tranony hoy ny loharanom-baovao. Noho ny antony tsy fantatra anefa dia nihetsika tampoka io tovolahy io ka ilay Reniny no nanamparany ny habibiany. Vao 46 taona monja io Reniny io. Ilay tovolahy raha araka ny fanazavan'ny fianakaviany dia mañana olana ara-tsaina. Afa-panadinana bakalorea soa aman-tsara anefa izy farany teo ary nahazo mention mihitsy hoy ny vaovao. Tany amin'ny zavatra hafa anefa no nanehoany izay fahaizana amam-pahalalana azony izay. Raha araka ny fanazavan'ny psikology iray dia vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana ho olom-banona izay tokony averina ao anaty fandaharam-pianarana no manosika tanora maro hamono Ray aman-dReny tahaka izao. Toraka izany koa ny tsy fisian'ny fanajana intsony eny anivon'ny fiaraha-monina. Diso maka tahaka loatra ny any ivelany ireo tanora Malagasy ka tsy mampaninona azy ireo intsony ny mamono mahafaty ny namany na ny Ray aman-dReniny. Tsy misy hafa amin'izay ny zava-mitranga eny anivon'ny fiaraha-monina ankehitriny hoy hatrany izy.
Nangonin'i Pati
Légende : Betsaka ireo Reny maty vonoan-janany tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap