airtel

Fandriampahalemana

01-déc-2021

Fandriampahalemana

Trafika tao Antalaha Lavanila 11 lasaka sy jirofo 50kg sarona

Sample post image

Tratran’ny zandary tao Ambinany, Antalaha, ny sambo haingam-pandeha mitondra lavanila efa voakarakara 11 lasaka sy jirofo 50 kilao amin'ny andro alina afak’omaly 29 novambra,

01-déc-2021

 raha ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana omaly. Tsy manana an-tontan-taratasy fanamarinana ny tompony, ary tsy nandoha ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina. Nogiazana ao amin’ny biraon’ny zandary ao Antalaha ny vokatra, notazonina ny tompony, tsy mahazo mihetsika ny sambo haingam-pandeha, ary mitohy ny fanadihadiana amin'ny fihavian'ireto lavanila sy jirofo nentina tamin'ny andro alina ireto. Misy hatrany ny fahasaronana lavanila tsy ara-dalàna satria nialohan’ity dia nisy ilay milanja 7,695 taonina efa voakarakara niampy lelavola 102.420.000 Ariary sarona teny Ankadifotsy Befelatanana ny 10 novambra teo. Raha ny tatitra nataon’ny zandary dia nanitrikitrika izy ireo fa taratasy fahafahana mitondra na “autorisation de transfert” ihany no nisy, ary samy tsy misy taratasy ara-dalàna na ny lavanila na ny vola, ary tsy manana fahazoan-dàlana ara-dalàna hanao fampiasam-bola na “investissement” eto Madagasikara ilay vahiny teratany Albanianina voalaza fa tompon’ireto lavanila nosamborina niaraka tamina teratany Malagasy iray. Ny 17 novambra rehefa niakatra fampanoavana anefa dia afaka vonjimaika ilay karana iray sy Malagasy iray voasambotra ary tsy nisy tohiny intsony ny raharaha, fa dia nalamindamina mangingina tao izany.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap