Loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka any an-toerana fa misy andian’olona mitady mpividy voamaso mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy. Ny 10 Jona maraina teo rehefa tafapetraka ny paikady hahafahana misambotra ireo andian’olona ireo dia tratra avokoa izy fitolahy tompon’antoka tamin’izany ka 24 taona ny zandriny indrindra raha 35 taona no zokiny indrindra. Nahatratrarana voamaso miisa 02 teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ka ny Sampandraharam-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao Ihorombe (SRPJ) no mandray an-tanana izany.
Pati
Legende : Ireto izy fitolahy mpanao trafikana voamaso !