airtel

Fandriampahalemana

23-nov-2021

Fandriampahalemana

Trafikana zava-mahadomelina “Cocaïne de base” 600 kg no saron’ny zandary

Sample post image

Azo sokajiana ho fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “cocaïne” betsaka indrindra ity 600 kg sarona tany amin’ny Faritra Antsinanana ity.

23-nov-2021

Ny volana Aogositra no voalaza fa nahazo vaovao mari-pototra momba ny fisiana siramamy mampiahiahy ny avy ao amin’ny Zandarimaria Faritra Atsinanana. Niroso avy hatrany tamin'ny fikarohana rehetra, ka ny 03 novambra 2021 no sarona ireo gony miisa 18 izay nisy siramamy sy zava-mahadomelina mahery vaika na cocaïne milanja 600 kg, raha ny fampitam-baovao ofisialin’ny zandarimariam-pirenena omaly alatsinainy 22 novambra. Rehefa natao ny fanamarinana dia fantatra fa "cocaïne de base" ireto sarona ireto. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ireo zandary nisahana ny famotorana ka olona iray izay fantatra fa mpiray petsapeta amin'io raharaha io no voasambotra ka naiditra am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny Fitsaràna. Mbola karohina kosa ny namany izay eritreretina ho tena atidoha nikotrika ity trafika ity. Niarahan’ny Zandarimaria Faritra Atsinanana sy ny Sampana fikarohana heloka bevava Antananarivo moa ny fanadihadiana. « Misy ny fiaraha-miasa amin'ny Mpitandro filaminana frantsay sy amerikana amin’ny fanadihadiana sy fikarohana momba ity raharaha ity, satria fantatra fa mandalo fotsiny eto Madagasikara ireto zava-mahadomelina ireto fa efa fantatra ny toerana saika handefasana azy », hoy Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG). Voalaza moa hatreto, fa avy any Amerika Latina saika halefa any Eoropa ireto zava-mahadomelina mahery vaika ireto, fa nampandalovina teto Madagasikara, izay maneho fa toa efa lasa toerana ifamezivezen’ny trafikana zava-mahadomelona i Madagasikara. Mandray anjara mavitrika amin’ny ady amin’ny fivezivezen'ny zava-mahadomelina mahery vaika ny firenena Malagasy, hoy ihany ny SEG, ary koa misy hifandraisan'ny raharaha toa izao amin'ny famotsiam-bola sy famatsiam-bolan'ireo mpampihorohoro iraisam-pirenena itony trafika itony, ary ny Zandarimaria dia anisan'ny manao ezaka manokana amin'izany ady izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap