airtel

Fandriampahalemana

14-mars-2022

Fandriampahalemana

Tranga tsy fahita firy Lasan’ny mpanakan-dalana ny lisi-pifidianana

Sample post image

Tsy mifidy asiana ny olon-dratsy fa izay heveriny fa ahitana misy vola sy harena azony petahana dia lasibatra avokoa.

14-mars-2022

 Tranga tsy dia fahita firy ity tany amin’ny kaominina Bebaboky Atsimo, distrikan’i Maintirano ity. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany no nisy nanakana teny an-dalana ny delege, nitondra ireo taratasim-panjakana, ka ankoatra ny vola 480 000 Ar dia lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny lisi-pifidianana izay tokony hanaovan’ny mponina isam-pokontany fanamarinana ny anarany no lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana nataony. Lasa niaraka tamin’izany koa ny taratasin’omby maromaro sy fitombokase ary finday. Mpanakan-dalana miisa telo mitondra kibay antsy lava no nanafika azy. Vaky ny lohan’ity delege ity vokatry ny daroka nahazo azy, ka voatery manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitaly. Tsy maintsy atao ny fanambarana fahaverezana, miaraka amin’ny tatitra ataon’ny rantsa-mangaikan’ny CENI mahakasika io lisi-pifidianana very io Hisy ny fanontana lisitra vaovao, ahafahan’ny mpifidy manamarina ny anarany, izay ezahina hahatratra ny fe-potoana voafaritra, hoy ny fanazavana sy ny famoaham-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Card image cap