airtel

Fandriampahalemana

22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza

Nilaza fa 300.000 Ariary ny karamany

Sample post image

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

22-avril-2024

iray 5 taona hanaraka azy ny lehilahy iray 42 taona, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Tao Ambodivona Antsahabe, Bongatsara, no nisehoan’ity raharaha ity. Miisa 2 ireo ankizy notambatambazany saingy tsy nanaiky ilay iray ka raikitra ny fitsofana kiririoka eraky ny tanàna ary voasambotra noho izany izy. Misy horonam-peo nomen'ny fokonolona ny Zandary izay ahenoana ny fanambaran'ity lehilahy ity milaza fa nisy naniraka hangala-jaza izy ka vola 300.000 Ariary no karamany. Efa notazonina vonjimaika any Tsiafahy kosa ity olon-dratsy ity, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Card image cap