airtel

Fandriampahalemana

28-juin-2021

Fandriampahalemana

Tsara fitaovana sy ampy kotrana ny tafika Tsy efa tokony hatahotra amin’izay ve ny dahalo ?

Sample post image

Nisongadina ny matso tetsy Mahamasina nandritra ny fanamarihana ny faha-61 nahazoana ny fahaleovantena sady fetin’ny foloalindahy.

28-juin-2021

 Mampiharihary sy maneho mandrakariva fa manana ny maha izy azy ny tafika sy ny mpitandro filaminana Malagasy. Fotoana hanehoana ny tanjaka sy ny lanjany eto amin’ny tany sy ny Fanjakana rahateo ny matso lehibe isaky ny 26 jona tahaka ireny. Raha jerena amin’ny endriny ivelany, tokony ho efa mba hatahotra amin’izay kosa ny jiolahy sy ny dahalo. Raha ny hita teny Mahamasina dia tsara fitaovana sy ampy kotrana tsara ny mpitandro filaaminana eto Madagasikara. Ny jeneraly rahateo isika no mety tompondaka eran-tany amin’ny fahamaroany. Tokony hanana paikady maro be izany sy mpitari-tafika mahavita azy fa tsy sanatria atao mameno birao miasa amina minisitera hatrany ny manamboninahitra zandary sy miaramila. Mila alefa mitari-tafika manenjika dahalo mihitsy, mba hampandry fahalemana ny vahoaka Malagasy tsivakivolo. Na aiza na aiza rahateo aleha eto Madagasikara, dia ahenoana tsy fandriampahalemana hatrany, ary matetika tena mihantsy ny mpitandro filaminana aza ny jiolahy sy ny dahalo. Irariana mba tsy ho endrika ivelany intsony, ka rehefa handrava hetsika politika dia tena miharihary sy miranirany ny fampisehoana tanjaka, fa rehefa asa fampandriana fahalemana misy olana sy lesoka foana.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap