Tsaratanana, distrikan’Ifanadiana ny faran’ny herinandro teo. Nampandre ny miaramila mpanao fisafoana tao an-toerana avy hatrany ireo mpandalo raha vao nahita izany. Rehefa nosavaina ireo gony ireo dia taolan-dava 145 isa sy taolam-pohy 86 isa no hita tao anatiny. Natolotra ny zandary any an-toerana ireo taolam-paty ireo, taorian'ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny hopitaly. Efa misokatra ny fanadihadiana momba ireo taolana ireo. Ahian’ny mponina ho taolam-paty avy nalaina tany amin’ny toeran-kafa ireo ary saika hisy haka tao Ifanadiana. Mety tsy nety anefa ny tanana ka nariany ireo taolana ireo. Na izany aza mbola tombatombana ihany izany fa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana no tena hanamarina izany.
Pati
Legende : Ireo taolam-paty tao anaty gony nosavain’ny miaramila !
Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona
Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona
Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,