airtel

Fandriampahalemana

19-janv-2026

TSARATANANA

Jiolahy mpamaky trano miisa 3 tratra

Sample post image

Jiolahy mpamaky trano miisa 3

19-janv-2026

no indray saron'ny mpitandro ny filaminana tany amin'ny distrikan'i Tsaratanana ny farany herinandro teo. Tovovavy iray no tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy ao Tsaratanana raha tsiahivina nilaza fa nisy namaky ny tranony ka very tamin’izany ny fahitalavitra iray, batterie, ary convertisseur miaraka amin’ny panneau solaire. Nanao ny fanadihadiana lalina sy fakàna loharanom-baovao ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Tsaratanàna. Voasambotra ireo olona telo tompon’antoka tamin’io vaky trano io vokatr'izany ary nisy tamin’izy ireo no niaiky ny heloka vitany ary nidoboka am-ponja vonjimaika rehefa niakatra fampanoavana ny 14 Janoary lasa teo.
Pati
Légende : Vaky trano no nanimban'izy telo mirahalahy ireto ny fiainany !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap
04-mars-2026

Olona miisa 3 no voasambotra

Card image cap