airtel

Fandriampahalemana

14-févr-2024

TSENAN’ANDRAVOAHANGY

Jiolahy saika hanafika lavon’ny balan’ny polisy

Sample post image

Jiolahy iray indray no maty voatifitry ny Polisy ao amin'ny CSP3

14-févr-2024

raha nikasa hanafika mpivarotra mpamongady iray tao amin'ny tsenan'Andravoahangy afak’omaly Alatsinainy 12 Febroary .Telo lahy nirongo basy sy antsy izy ireo no niaraka ary nikasa hanao ny asa ratsiny tamin’io Alatsinainy atoandro io. Fotoana fohy monja taorian’izany anefa dia efa tonga teny an-toerana ny Polisy.Raikitra ny fifanenjehana ka jiolahy iray vao 21 taona no voatifitra ary namoy ny ainy raha tafaporitsaka kosa ny roa ambiny. Mbola mitohy ny fikarohana ireto farany hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsiahivina moa fa anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny Andravoahangy sy Besarety eny amin’izao ka tokony samy ho mailo ny rehetra.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy lavon’ny balan’ny polisy !
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

Card image cap
19-juin-2025

Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy

Card image cap