airtel

Fandriampahalemana

22-janv-2021

Fandriampahalemana

Tsenan’i Mahamasina Tratra ireo andiam-behivavy mpangalatra

Sample post image

Andiam-behivavy mpangalatra no tratra tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly

22-janv-2021

 

 

 

 

Alakamisy izay fantatra fa mpangarom-paosy no sady manendaka. Miisa 5 izy ireo, izay fantatra fa efa tena mpiady tokoa. Mody mitsofoka any anelanelan’ny mpiantsena mantsy izy ireo ary mody mitangorona mijery entana ihany koa. Mitakisina amin’ireo mpiantsena sasany ny sasany mandritra izany no sady manataka ilay poketra amin’ny “lame”. Tsy fantatr’izy ireo anefa ny fisian’ny polisy mandeha sy manara-maso any anatin’ireny tsena ireny ka tratra ambodiomby izy 5 mirahavavy. Ny “deuxième compagnie urbaine d’intervention” eo anivon’ny polisim-pirenena no angady nananana izany. Tsiahivina moa fa mbola tratra teny amin’ireto andiam-behivavy ireto, ireo entana nangalariny.

Pati

 

 

Dans la même rubrique