airtel

Fandriampahalemana

07-sept-2022

Fandriampahalemana

Tsindron’antsy tany Morondava Tovolahy iray, 18 taona no efa tratra

Sample post image

Tovolahy iray vao 18 taona monja no fantatra fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay resaka fanafihana sy halatra niaro volo olona tany amin’ny Faritra Menabe.

07-sept-2022

Raha tsiahivina kely dia alin'ny 01 hifoha 02 septambra dia nisy trangana fanafihana maromaro niseho tao an-tampon-tanànan'i Morondava izay namoizana ain'olona iray sy nandratrana olona miisa telo. Ny roa amin'ireto farany moa izay mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly Namahora.Very nandritra izany ny entana maromaro izay voaroba tamin'ireo tokantrano voatafika. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo Polisy miasa any an-toerana. Natao ny fikarohana ka nandritra izany no nahafahana nisambotra ny lehilahy iray izao vao 18 taona monja, tra-tehaka tao Tsimahavaokely/Morondava.Araka ny fantatra dia isan'ny nandray anjara feno tamin'ireo tranagana asa ratsy niseho tany an-toerana ireoity lehilahy ity. Mitohy hatrany ny fikarohana hataon'ny Polisy mikasika ireo namany hafa.
Pati
 

Dans la même rubrique