Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy miasa any an-toerana afak’omaly Talata 27 aogositra no nahatrarana azy ireo. Lehilahy iray nitondra kitapo lehibe no nosavaina ka nahatratrarana "sachet" misy rongony roapolo fonosona izay saika haparitaka ao Tsiroanimandidy.Lehilahy iray hafa ihany koa no tratra teny akaikin'ny biraon'ny Prefektioran'i Tsiroanimandidy nanosika moto izay nangalarina tandron'io andro io ihany tokony tamin'ny 11 ora alina. Nojerena ny taratasy sy ny mombamomba ilay lehilahy fa tsy mifandraika amin'ny tena tompon'ny moto. Nogiazana ilay moto ary noentina eny amin'ny biraon'ny Polisy miandry izay tena tompony.
Pati
Legende : Ireo roalahy indray noraofin’ny mpitandro ny filaminana tao Tsiroanomandidy !
Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona
Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona
Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,
Mpamily taxi-moto iray no voaendaky ny mpanao ratsy teo Ampanengenana Fokontanin' Andranonomby,