airtel

Fandriampahalemana

18-avril-2024

TSY FANDRIAMPAHALEMANA ANY BEROROHA

Nampihavanina ireo mpirahalahy fo fototry ny olana

Sample post image

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

18-avril-2024

distrikan’i Beroroha ny fampihavanana teo amin'Atoa Tsimagniry sy Mana izay mpiara-monina ao an-toerana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nifampitondra ohatra ny mpifahavalo mihitsy izy roalahy ireto noho ny tsy fifankazahoana nisy teo aminy. Maro ny zavatra potika vokatry ny ady nisy tamin'izy mirahalahy toy ny fanafihana izay miteraka fahafatesana, faharatrana, mifangalatra omby ary efa tsy mifandevi-maty intsony aza no sady nihafara taminy fisaraham-pasana. Tsy niandry ela intsony ny Kaomandin'ny Kompania ny Zandarimaria Ankazoabo fa naniraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nijery akaiky sy nandamina ny disadisa.Niravona soa aman-tsara izany ka h tamin'ny fitangenana tao ankazomanga. Samy nitsofina rano ny andaniny sy ny ankilany ary nampitraofina viarara fa tsy hifanao ratsy intsony. Nanome toky teo imason’ny iray tanàna izy ireo fa handray toy ny tsy nisy ny zavatra izay niseho nandritra ny 5 taona lasa izay.Nanome omby iray ny zandary natao nofokena mitam-pihavanana izy. Nisaotra ny ezaka vitan’ny Zandarimaria koa ny vahoaka tao amin’ny distrikan’i Beroroa, indrindra moa fa ny mponina tao Ipingo fa handry fahalemana amin'izay izy ireo.
Pati
Legende : Nampihavanina tahaka izao izy roalahy !

 

 

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nitrangana fanendahana Taxi moto na itony kodiaran-droa hikaramana hitateram-bahoaka

Card image cap
30-avril-2024

Taorian’ny distrikan’Anjozorobe dia mirongatra ihany koa ny asan-dahalo miaro

Card image cap
30-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny kaomisaria CSPD Antalaha tao Ankoalabe

Card image cap