airtel

Fandriampahalemana

29-juil-2022

Fandriampahalemana

Tsy kely lalana ratsy Efa misy mahavita « carte bancaire » hosoka ihany koa

Sample post image

Tovolahy iray 28 taona no saron'ny Polisy miasa ao amin'ny Cybercriminalité ny talata 26 jolay lasa teo teny Tsiadana rehefa nampiasa « carte bancaire » hosoka.

29-juil-2022

Naharay fitarainana avy amina mpanjifa iray ny ao amin'ny banky BFV mahakasika ny fihenan'ny vola ao anaty kaontiny kanefa tsy maka vola izy. Nitondra ny raharaha teo anivon'ny Polisim-pirenena avy hatrany ny banky ka nosokafana ny fanadihadiana. Natao ny fikarohana rehetra ka tena voaporofo fa ity tovolahy 28 taona ity no tompon’antoka amin’izany. Nisoloky irony karatra fisintonana vola irony (Carte bancaire) izy izay matetika hanaovany fiantsenana anaty tambajotran-tserasera. Fomba fiadin’ity lehilahy ity ny manao « achat en ligne » ka hampiasainy amin’izany ny laharan’ilay kaontin’ity olona ity, ary dia miala tsikelikely ao amin’ilay karatra ny vola noho izy mividy entana an’habaka. Efa tafiakatra 9. 815. 000 Ar ny vola azony tao anatin’izany fanaovana hosoka izany. Tratra tao amin’ny trano fonenany teny Tsiadana ity farany ka noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana, ary niaiky izy fa nanao izao halatra avo lenta izao tokoa. Natolotra ny fitsarana omaly 28 Jolay ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap
26-mars-2024

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap
26-mars-2024

Teny filamatry ny zandarimaria ny hoe "Miaro ho antoky ny Fampandrosoana ifotony",

Card image cap