airtel

Fandriampahalemana

26-déc-2022

Fandriampahalemana

Vaky fasana tany Boeny Lehilahy iray nahatrarana rojo volamenan’ny maty

Sample post image

Lehilahy iray 28 taona no voatery nosamborin’ny polisy ny alin’ny 23 desambra teo tany amin’ny Faritra Boeny. Nahatrarana rojo volamena halatra izy io raha araka ny fantatra.

26-déc-2022

Raha tsiahivina, nisy fasana vaky niseho ny andron’ny 12 desambra sy ny 20 desambra teo tao amin’ny tanànan’Ambatofotaja sy Ambalabengy ao amin’ny Fokontany Premier quartier , kaominina Ambonivohitra Ambato-boeny. Maro ny zavatra lasan’ireo tsy mataho-didy nandritra izany ka anisan’ireny ity firavaka volamena voalaza etsy ambony ity. Ny alin’ny 23 desambra 2022 tao amin’ny tanànan’Ambatoboeny dia nanatanteraka asa fisafoana ireo Polisy miasa any an-toerana. Toy ny mahazatra,manao fisavana izy ireo rehefa mifanehitra amin’ny olona fa indrindra ireo tsy dia azo antoka sy hafahafa fihetsika . Isan’ny iray tamin’ireny ity lehilahy voasambotra ity izay nahitana rojo volamena teny aminy ary mitovy tsy misy valaka tamin’ilay rojo volamena izay voalaza fa very nandritra ny fandrobana ny fasana. Mitohy ny fitadiavana ireo naman’ity lehilahy nangalatra rojo volamena tao am-pasana ity.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique