airtel

Fandriampahalemana

15-déc-2022

Fandriampahalemana

Vaky trano sy fanontana vola sandoka Voasambotra ny 3 ao anatin’ilay « groupe des 4 »

Sample post image

Jiolahy rain-dahiny miisa 03 no saron’ny hery vonjy taitran'ny Polisim-pirenena ny talata 13 desambra teo tao Fianarantsoa rehefa namaky trano sy namoaka vola sandoka .

15-déc-2022

Raha tsiahivina dia maro tokoa ireo lasibatry ny vaky trano sy ny fivezivezen’ny vola sandoka ao amin’ny tanànan’i Fianaratsoa tato ho ato .Betsaka araka izany ny fitarainana tonga teny amin’ny biraon'ny polisy mahakasika ny fisian’ny andian-jiolahy mitam-piadiana antsoina hoe « Groupe des 4 » mpamaky trano sy mpanamboatra vola sandoka ary manaparitaka izany manodidina ny tanànan’i Fianarantsoa. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny teo anivon’ny FIP na ny hery vonjy taitra ny Polisy any an-toerana nanoloana izany ka nanamafy ny fisafoana sy fikarohana araka ny vaovao marim-pototra voaray. Vokany, lehilahy iray no voasambotr’izy ireo ny marainan'ny talata 13 desambra teo ary notanana avy hatrany teny amin’ny kaomisaria foibe natao fanadihadiana. Niaky ny zavatra nataony ity lehilahy ity ka teo indrindra no nilazany ireo namany hafa izay mpiray petsapetsa aminy manao izao asa ratsy izao . Ny andron’io ihany tokony ho tamin’ny 09 alina araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny namany voasambotra ity dia tratra ihany koa ireo olon-dratsy roalahy hafa , rehefa natao araka izany ny famotorana azy telo lahy voasambotra ireto dia manana mpitarika izy ireo antsoina hoe « RA MAITRE » izay ati-doha miketrika amin’ny hetsika fanafihana sy famakiana trano ary ity farany no tompon’ny basy sy niavin’ny fanamborana vola sandoka . Mitohy araka izany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity jiolahy raindahiny ity izay fantatra fa manana fitaovam-piadiana any aminy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mirahalahy
 

Dans la même rubrique