airtel

Fandriampahalemana

13-févr-2023

Fandriampahalemana

Vaky trano teny Anosizato Noraisim-potsin’ny polisy ilay jiolahy mbola nisaro-tava

Sample post image

Noraisim-potsiny noho ny mbola fanaovany sarotava na “cagoule” sy fitondrana fitaovana fanapitsihina trano na "barre à pince"

13-févr-2023

ny mpamaky trano iray raha nifanena tamin'ny polisy tetsy Anosizato. Ny sabotsy teo, tokony ho tamin'ny 3 ora sy 30 minitra maraina no nitrangan’ity fikasana hamaky trano azo lazaina ho nahatsikaiky ity. Raha ny filazan'ny manodidina dia vaky trano teo akaiky teo ihany no nataon’ity jiolahy ity. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy ary izao vaky nandositra izao kinanjo nifanehitra tamin'ny polisy indray ka dia noraofim-potsiny, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ny tena nanapa-tsinay ireo nahita ny tranga dia ny lokon’ilay sarotava izay volomboasary be izay tena miavaka sy mora mampiahiahy tanteraka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique