airtel

Fandriampahalemana

16-août-2021

Fandriampahalemana

Vaky trano teny Antanetibe Ilafy Nentin’ireo jiolahy hatramin’ny sakafo

Sample post image

Tokantrano iray no indray notafihina jiolahy miisa 7 teny Antanetibe Ilafy ny Zoma alina nifoha Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy 40 minitra.

16-août-2021

 Ny 2 tamin’ireo no fantatra fa nisaron-tava raha nanao arovava orona kosa ny 5 ambiny. Fanerena ny varavarankely hivoha tamin’ny alalan’ny baramina no nahafahan’izy ireo niditra ny trano ka nakatona tao amina efitrano iray avokoa izy 5 mianaka tompon-trano niaraka tamin’ny mpanampy mba tsy ho afaka hiantso vonjy sy hanelingelina azy ireo, raha ny fantatra. Nampiasa basy vita gasy ireo mpanao ratsy nandritra izany no sady nitaky vola tamin’ilay Ramatoa tompon-trano no namepetra ihany koa fa tsy hamono na hikasin-tanana ireto farany izy ireo raha toa ka hendry tsara izy 5 mianaka. Raha araka ny iraka nampanaovin’ny sasany azy 7 mirahalahy ireto mantsy, hono, dia manam-bola hividianana fiara ilay Ramatoa tompon-trano ka izay no tena notadiaviny. Nanamafy anefa ity farany fa tsy manana izany fa diso adiresy ireo mpanao ratsy. Sorena vokatr’izany ireo jiolahy ka tapitra nahoron’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-tokantrano. Nandritra ny ora 2 no nanaovany izany, nohaniny hatramin’ny sakafo tao anaty vata fampangatsiahana ka sio plastika kely iray nisy fotsim-bary sisa no hany navelany.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap