airtel

Fandriampahalemana

05-févr-2024

Vao nivoaka ny fonja vao haingana

Lehilahy iray tratra namaky trano indray

Sample post image

Betsaka ireo resabe nandeha teny anivon’ny fiarahamonina teny tato ho ato mikasika

05-févr-2024

ireny olona nivoaka ny fonja ireny na tamin’ny fanalefahan-tsazy azony tamin’ny faran’ny taona izany na noho ny fahataperan’ny saziny. Diso mahazo vahana loatra mantsy ny fanolanana sy ny vaky trano ary ny fanendahana izay tsy mifidy toerana sy ora intsony. Tsy misy hafa amin’izany ity zava-nitranga teny Ankazomanga ity, andro vitsy lasa izay. Lehilahy iray 29 taona ny 30 Janoary no tratra namaky trano ambodiomby izay fantatra fa vao avy nivoaka ny fonja vao haingana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo fitarainana ny mpitandro ny filaminana misahana iny faritra iny maikasika ny fahavakisana trano eny an-toerana ka nahaverezana karazan’entana maro. Manoloana izany, nanamafy ny hetsika fisafoana ny tanana ireo Polisy.Vokany, tratra ambodiomby teo am-panatantetahana ny asa ratsiny ity lehilahy voalaza etsy ambony ity niaraka tamin’ny fahita lavitra vao avy nangalarina. Natolotra ny fampanoavana ny 01 febroary teo ny anaolahy ary naiditra am-ponja eny Antanimora.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ilay vata fahitalavitra ecran plat nangalariny !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tovolahy iray vao 19 taona monja no fantatra fa mpamatsy rongony ireo namany ao Mahitsy,

Card image cap