airtel

Fandriampahalemana

11-juil-2022

Fandriampahalemana

Varotra rongony Efa maka saina eny Antanimora ilay nahatrarana 80 fonosana

Sample post image

Lehilahy iray nanao fihetsika hafahafa no saron’ny polisy teny Ilanivato ny alakamisy 07 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany hariva.

11-juil-2022

Raha araka ny fantatra dia nivarotra rongony ity lehilahy ity, antony naha kaodikaody azy. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana fonosan-drongony 80 isa teny aminy ka nentina avy hatrany teny amin'ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana ny anaolahy. Natolotra ny fitsarana avy hatrany izy taorian’izany ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Tsiahivina moa fa 2 isan-kerinandro raha kely ireo olona tratra mivarotra na mifoka rongony eto an-drenivohitra hampidirina eny amin’ny fonjaben’Antanimora.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay lehilahy sy ireo rongony tratra teny aminy
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap