Vato kely sy bitika miloko maintso tsy misy lanjany akory no nambarana mpisoloky iray tanaty taratasy fa safira ary mitenti-bidy 90 Tapitrisa Ariary na 450.000.000Fmg. Nambaran’ilay mpisoloky tanaty taratasy, raha ny fampitàm-baovao voaray, fa avy any Mananara ny vato ary efa vita fitiliana. Voasambotry ny polisy omaly teo amin’ny Avenue Toamasina moa ity mpisoloky ity. Nambarany fa avy amina ramatoa antsoina hoe Sarah ny vato, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija