taorian’ny nahafatesam-badiny, tovovavy kely vao 31 taona monja, maty nitsilany teo ambony seza. Teny Anjomakely, Kaominina Bongatsara no nisehoan’izany ny 10 aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina. Olon-tsotra teo an-tanana no niantso ny zandary ao Andoharanofotsy momba ity teratany vahiny ity izay fantatra fa nanakorontana teo an-tanàna tamin’io fotoana io. Mbola tratra teo am-panakorontanana mihitsy moa ity lehilahy lehibe iray ity izay efa hita fa mamo. Nilaza ny tenany nandritra izany fa maratra ao an-tranony ny vadiny ka mila vonjy. Rehefa nojerena anefa dia efa tsy nisy aina intsony ilay Ramatoa izay nahitana tsindrona zava-maranitra teo amin'ny foto-peny ary nijininika ny rà.Tsy nisy afa-tsy izy mivady anefa no tao an-trano tamin'ny fotoana nahavoa ilay vehivavy ka izay no antony nahatonga ny ahiahy nipetraka tamin-dRalehilahy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona
Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona
Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,
Mpamily taxi-moto iray no voaendaky ny mpanao ratsy teo Ampanengenana Fokontanin' Andranonomby,