airtel

Fandriampahalemana

11-juin-2025

Vehivavy 22 taona

Tratry ny herisetra ara-nofo no sady voatsatok'antsy

Sample post image

11-juin-2025

Notsatohany antsy Vehivavy iray 22 taona no nanaovan’ny sakaizany an-tery setra ary notsatohany antsy, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nanaovan’ity lehilahy ity herisetra ara-nofo ilay vehivavy ary avy eo notsatohany antsy ny tratrany. Tranga niseho tao Mahambo, Fenoarivo Atsinanana, ny 7 jona teo izy io. Nividy takamoa teo amin'ny tsena iray ilay lehilahy ary tonga dia nirifatra ka nanaitra ny tompon-tsena izay tonga dia nandeha tany amin'ny tranon'ireo olona ireo, hita niampatra tamin'ny tany efa tsy nahatsiaro tena ilay vehivavy. Nentina tany amin'ny hopitaly saingy maty teny an-dalana. mitohy ny fikarohana ilay nahavanon-doza tsy hita nanomboka tamin’io andro io, raha ny fampitam-baovao voaray hatramin’ny omaly hatrany aloha.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…

Card image cap