airtel

Fandriampahalemana

19-juil-2024

VEHIVAVY VARIRA NISY NANAPA-DOHA

Lehilahy iray no naniraka, 10 tapitrisa Ar no sandan’ilay loha

Sample post image

Fantatra izao fa lehilahy iray no tompon’antoka ary naniraka ireo lehilahy folo hafa

19-juil-2024

nahavita nanapa-doha ilay vehivavy varira iray tany amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana andro maromaro lasa izay. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nosandain’ilay naniraka 10 tapitrisa Ar ny lohan’io vehivavy io rehefa azony soa aman-tsara. Tsy mbola fantatra kosa izay antony tena ilany azy na dia efa nanamafy ombieny ombieny aza ny Filohan’ny Fikambanana miahy ny olona varira eto amintsika Atoa Soja Fulgence fa tsy misy vatosoa izany ao anatin’ny maso na lohan’ireny olona varira ireny. Raha araka ny fantatra moa dia ahiana ho tafiditra ao anatin’ity raharaha ity ny vadin’io vehivavy varira io noho ny fitiavam-bola.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby lava ireo olona varira eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

Card image cap
07-févr-2025

Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora

Card image cap
06-févr-2025

Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty

Card image cap