airtel

Fandriampahalemana

01-déc-2022

Fandriampahalemana

Voalaza ho saika namaky trano Notapahin’ilay tompon-trano ny tanan’ilay zazalahy

Sample post image

Tonga dia tsy misy rantsan-tanana efatra intsony ilay tovolahy kely tombanana ho 12 taona eo ho eo. Toy ny nalana tamin’ny antsy mihitsy ireo rantsany ireo ka ilay ankihibe iray sisa tavela eo amin’ny toerany.

01-déc-2022

Io no famaizana nataon’ny tompon-trano iray azy tany avaratr'Ampasimanjeva Manakara, ny faran’ny herinandro teo. Voatondro ho saika hamaky trano, tao amin’ity tanana ity mantsy io zazalahy kely io. Tratran'ny tompon-trano teo am-pisikorana karetsaka mihitsy izy nandritra hoy ny loharanom-baovao azo ka izao lasa tsy misy rantsan-tanana efatra izao intsony. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona mikasika ity tranga ity moa dia tokony nosamborina ity tovolahy kely ity ka nahitsy fa tsy nampahoriana fatratra tahaka izao. Hampidirina eny amin’ny toby fitaizana mania izy aoriana. Ireo mpamono olona sy mpanolana no tokony hofaizina fatratra tahaka izao hoy hatrany io fanehoan-kevitra io.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ny tananan’ilay zazalahy kely
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap