airtel

Fandriampahalemana

05-sept-2023

Voarohirohy ho nangala-jaza

Saika matin’ny fokonolona ilay lehilahy

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona teo ho eo omaly no voarohirohy ho nangala-jaza tany Tsimenatse Toliara.

05-sept-2023

Nanjehin’ity lehilahy ity avy any aoriana ilay zaza , izay marihina fa zazavavy kely hoy ny vaovao ka nanaitra ny fokonolona. Somary nikiakiaka ihany koa ity farany nandritra izany. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nilaza fa tsy mbola nahita na mahafantatra io lehilahy io. Voatery nosamborin’ny fokonolona sy notazoniny ilay lehilahy noho izany ary nateriny teny anivon’ny mpitandro ny filaminana mba hanaovana fanadihadiana. Tsiahivina moa fa mbola mahazo vahana tanteraka ny fakana zaza an-keriny sy ny fakana maso na taovan’olona any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Izany indrindra no manosika ny fokonolona ho mailo, indrindra fa ho an’ireo zatovolahy izay saika tompon’ny ati-doha hatrany noho izy ireny tsy mahita asa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mpangala-jaza saika matin’ny fitsaram-bahoaka !

 

Dans la même rubrique