airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2022

Fandriampahalemana

Vohipeno Nisy nangalatra ny moteran-tsambon’ny BNGRC

Sample post image

Lehilahy miisa 03 no nosamborin’ny ny Polisy miasa ao Vohipeno rehefa nangalatra moterana sambon'ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary any an-toerana.

25-avril-2022

Tonga nametraka fitarainana tao amin'ny Polisy ny lehiben'ny Distrika any an-toerana mikasika ny fahaverezan'ity moterana sambo ity. Araka ny fantatra dia ny alin'ny 17 aprily hifoha 18 aprily no nanjavona izy io. Very tamin'izany ny motera marika PARSUN 60 Chevaux iray. Tonga teny an-toerana ireo Polisy nanao ny fanadihadiana ka tamin'izay no nahafantarana ny fiara izay nampiasain'ireo jiolahy nitondrana ilay motera. Fantatra noho izany ny tompon'ilay fiara ka nosamborina avy hatrany natao famotorana tao amin'ny birao. Ity farany no nanondro ireo namany roalahy niaraka nanatanteraka ny asa ratsy taminy ka nosamborina ihany koa. Efa natolotra ny fitsarana ny 23 aprily teo avokoa izy telo lahy ireo ary samy efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap