airtel

Fandriampahalemana

27-nov-2024

VOLA SANDOKA

168 TAPITRISA AR SARONA

Sample post image

Hiakatra fitsarana anio ilay tompon’antoka Lehilahy iray manodidina ny 45 taona no nahatrarana vola sandoka

27-nov-2024

mitentina 168 tapitrisa Ar afak’omaly Alatsinainy 25 Novambra tany amin’ny distrikan’i Mananjary. Vola 20.000 Ar mitambatra avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Teny amin'ny seranan'Andovosira no nahatrarana azy io taorian’ny velam-pandrika nataon’ny polisim-pirenena. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niely ny resaka tao an-tananan'i Mananjary fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka ao an-tampon-tananan’i Mananjary. Maro ireo efa voafitaka tamin'izany ka tonga nitaraina teny anivon’ny Fokontany. Anisan’ny mbola hanaovana fanadihadiana ity lehilahy ity moa amin’izao ny olona mpiray tsikombakomba aminy sy ny nivian’ireo vola sandoka miampy ny fitaovana nanamboarany azy. Hiakatra fitsarana anio Alarobia 27 Novambra ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy sy ireo vola sandoka tratra tany aminy !

 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Mpamily taxi-moto iray no voaendaky ny mpanao ratsy teo Ampanengenana Fokontanin' Andranonomby,

Card image cap
02-juin-2025

Nitranga fanafihana mahery vaika narahina vono olona tao amin’ny Fokontany Vohikely,

Card image cap