airtel

Fandriampahalemana

29-juil-2022

Fandriampahalemana

Volafotsy Ambositra Mpianaka, maty voatsatok’antsy

Sample post image

Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany lahy no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny tsatok'antsy nahazo azy nandritra ny fanendahana azy ireo tao amin'ny fokontany Volafotsy Ambositra.

29-juil-2022

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia avy nivarotra izy mianaka ireto no izao nisy nanendaka izao ary efa hiditra ny trano. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola tany amin'ilay renim-pianakaviana izay voatsindrona antsy voalohany. An-tapitrisany izany raha araka ny fantatra. Niaro azy nandritra izany ilay zanany lahy ka nifanenjika tamin'ireo jiolahy. Tamin'izany no nahavoatsindrona antsy azy ka namoizan’ity farany ny ainy ihany koa.Tavela nandritra io fifanenjehana sy fifampitolomana nisy teo amin'ilay zazalahy sy ilay jiolahy io moa ny finday sy akanjo ary ny satrok'ilay jiolahy ka efa eny am-pelatanan'ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ny fanadihadiana ary efa miisy ireo olona ahiahiana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap