airtel

Fandriampahalemana

06-avril-2021

Fandriampahalemana

Vono olona feno habibiana Fanoto sy antsy ary maritoa no namonoany ny zanany

Sample post image

Renim-pianakaviana manodidina ny 40 taona no maty novonoin'ny rainy ihany ny alahady lasa teo,

06-avril-2021

 

tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany maraina teny Mandrosoa Ivato. Tamin'ny fomba feno habibiana tokoa no namonoana ity renim-pianakaviana ity raha ny nambaran'ny nanatri-maso sy ny manodidina, satria fanoto sy antsy ary maritoa no nanaperan-drainy ny ainy, raha ny fanazavana. Voalaza fa nisy fifandirana teo amin'izy mianaka ka nitsoaka ilay renim-pianakaviana. Tsy nody izy raha tsy maraina fa natory teo amin'ny manodidina izay mpanofa ny tranon'izy ireo ihany. Tezitra tamin'izany ny rainy ka namono azy avy hatrany. Niteraka vavy kely iray io renim-pianakaviana namoy ny ainy io, ary miara-mipetraka amin'ny rainy izy mianaka kely, satria tsy dia salama saina izy ka misy fotoana mihetsika izany. Tonga teny ifotony ny zandary avy ao amin'ny “poste avancé” Mandrosoa nandray andraikitra sy nitondra ilay raim-pianakaviana hanaovana fanadihadiana. Ny fokontany sy ny fokonolona kosa no nikarakara ny razana taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo.

Toky R

Dans la même rubrique