airtel

Fandriampahalemana

06-avril-2021

Fandriampahalemana

Vono olona miaro fanolanana Saika halevin’ilay vazaha teo an-tokontaniny ny sipany

Sample post image

Tovovavy iray, teratany Malagasy, 20 taona saikazam-bazaha no namoy ny ainy tamin’ny fomba hafahafa tao an-tranon’ity farany.

06-avril-2021

 

 

Efa nofonosina ary tany an-trano fitoeran’entana no nahitana azy. Fanomezam-baovao avy amina olontsotra nantsoin’ilay vazaha lahy, hanampy azy handevina ilay faty no niaingan’ny fikarohana sy fanadihadiana nataon’ny zandary nanomboka ny sabotsy 3 aprily teo. Teny Ambohibao Antehiroka no niseho ity vono olona ity. Natao ny fisavana ny trano fonenan’izy ireo rehefa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Fitsarana ny zandary. Nandritra izany no tsikaritr’ireto mpanao fanadihadiana fa nikorontana ny efitrano fatoriana, nahitana takosona rà ary koa basy mahery vaika “fusil à pompe” miaraka amin’ny bala maromaro. Nitohy ny fisavana ireo efitra hafa, ka tamin’izany nahitana ny faty efa voafono tao amin’ny trano feno korontan’entana. Nisy lavaka efa vonona koa teo an-tokontany, toa nomanina handevenana ilay faty. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSB-II Ambohibao no nanombanana fa efa telo andro no nahafaty ilay tovovavy, ary niharan’ny herisetra ara-nofo ihany koa izy. Nalefa any amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana taorian’ny fitsirihana sy fanamarinana, ary notazomina tao amin’ny Borigadin’ny zandary Talatamaty mba hatao fanadihadiana ilay vazaha sakaizany sady tompontrano. Manan-janaka roa, tsy ampy taona, ilay vazaha. Efa nisara-bady ity farany, ka ny mpampianatra azy ireo no nanankinana vonjimaika ireo zaza eo ampikarohana ny reny niteraka azy ireo.


Jean D.

Dans la même rubrique