Vehivavy iray sy lehilahy miisa 2 no fantatra fa voasambotra nandritra ilay vono tao anatina karaoké iray teny Bongatsara, distrikan'Atsimondrano. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin' ny 23 Aogositra teo tokony tamin'ny 03 ora maraina no hita faty tao amin'ny trano fivoahan'ilay karaoké iray teny Bongatsara ny lehilahy iray efa nanaovan'ny fianakaviany ombay mitady . Nahitàna dian'antsy 2 ny tendan'ilay tovolahy tamin'io fotoana nahitana azy io . Nidina ifotony avy hatrany ny zandary niaraka amin'ny dokotera nanao ny fizahana. Taorian'ny fanadihadiana no nahafantaran'ny zandary fa tovovavy iray no niara-nisotrosotro voalohany tamin'ilay tovolahy maty tao amin'ilay Karaoké. Minitra vitsy taorian'izay dia nisy tovolahy 17 taona tonga koa ka niray latabatra niara-nisotrosotro tamin'izy ireo. Ny Camera de Surveillance tao amin'ilay trano fisotroana avy eo no nahitàna fa niara-nizotra tany amin'ny WC izy 3 ireo saingy ilay tovovavy irery sisa no niverina ary tonga dia lasa nivoaka tany ivelany avy hatrany avy eo. Raha ny tatitry ny mpanao famotorana dia ilay tovolahy 17 taona no tena namono ilay maty. Notsindrominy tamin'ny antsy ny tendany aveo nitsoaka nisaoty teo amin'ny varavaran-kelin'ilay WC tao amin'ny karaoké ny tenany ary niafina tany amina lehilahy iray 27 taona mpivarotra ao Antetezana taorian'ny vono olona nataony . Nalefan'io lehilahy io nitsoaka tany Ambohipihaonantsoa indray avy eo ilay nahavanon-doza . Samy efa voasambotry ny zandary avokoa moa ankehitriny na ilay tovovavy 18 taona niaraka tamin'ilay maty na ilay tovolahy 17 taona tena nanatanteraka ny famonoana sy ilay lehilahy 27 taona nanafina sy nampitsoaka azy . Hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela moa izy rehetra ireo. Marihina fa nandraisan'ny manam-pahefana fepetra ihany koa ilay trano fisotroana karaoke noho ny tsy fanarahan-dalàna tamin'ny lera tokony hikatonana ka nisian' izao zava-doza mahatsiravina izao.
Pati
Légende : Tahaka izao sisa no nihafaran'ilay tovolahy !
Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana