airtel

Fandriampahalemana

22-nov-2021

Fandriampahalemana

VTobim-piantsonana Vatofotsy Antsirabe Tratra ilay mpisoloky mahay mampiresaka

Sample post image

Tsy misy toerana izay tsy tongan’ny mpisoloky intsony izany. Lehilahy iray no saika nisaritahan'ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy teny amin’ny tobim-piantsonana Vatofotsy Antsirabe.

22-nov-2021

 Raha araka ny fantatra dia mody mipetrapetraka eny akaikin'ny olona miandry fiara eny ity lehilahy ity. Mihaino resaka sy mody manaka-dresaka ary mampiresaka izy mandritra izany. Milaza izy fa misy havany tokony antsoiny maika saingy maty ny findainy. Asehony mihitsy ilay telefaonina fozafoza tsy velona mandritra izany. Mhindrana findain'olona hiresahany eo akaiky eo ihany izy. Hampidiriny fahana efa voaomana izany. Miresaka elaela amin'olona tokoa izy ary dia tena mandresy lahatra. Mody milaza lany ny fahana indray izy aorian’izany ka entiny hampidirana 2toi a moi na speed, eo amin'ny mpivarotra tsy lavitra taza-maso eo ilay finday. Any anefa dia manjavona. Nampamangy avokoa izay android tratrany fa ireny finday ireny no tena kendreny. Ny olona dia voafitaka amin'ny fiakanjony sy fiteniny avokoa satria indraindray manao fitafiana mihajna toy ny costard izy. Tamin'ity indray mitoraka ity dia toy ireny olon'Andriamanitra ireny ery lekary fa miambozona firavaka hazofijaliana mihitsy. Efa matetika no misy olona tratran'izany eo amin’ny tobim-piantsonana Vatofotsy Antsirabe. Na mpandeha, na guichetier, na mpivarotra dia saika efa voasolokiny avokoa. Miovaova ny fomba fisolokiany. Raha ny filazan'ny polisy dia efa mpamerin-keloka ity ranamana ity. Ary vao tsy ela akory no nanaterana azy teo amin'ny fitsarana nefa dia izao mamerina izao indray. Ny polisy miasa mandamina ny tobim-piantsonana no tonga aloha ary niantso ny fiara haka azy. Manentana ny olona mba ho mailo amin'ny karazana fisolokiana mety hitranga araka izany ny mpitandro ny filaminana fa ny ratsy tsy kely lalana.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap