airtel

Fandriampahalemana

24-août-2021

Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Hatsaraina ny fomba fiasa, hoy ny SEG vaovao

Sample post image

Ho tohin'ny fanendrena tao amin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny Alarobia lasa teo dia notontosaina omaly alatsinainy 23 aogositra ny famindram-pitantanana teo amin'ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa,

24-août-2021

Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena teo aloha sy ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara izay misolo toerana azy. Tamin'ny firahalahiana tanteraka no nanantanterahana izany famindram-pitantanana izany, izay notroni'ireo manam-boninahitra jeneraly sy manam-boninahitra ambony tompon’andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Fisaorana ny Filoham-pirenena no voalohan-tenin'ny Jeneraly Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena vaovao, izay nanendry azy sy nametraka ny fitokisany amin'izao andraikitra mankadiry izao.Nanambara ihany koa izy fa mitohy ny asa ary hatsaraina izany. Nisy ny tondrozotra napetraky ny SEG teo aloha izay mbola tsy vita izany ary eo koa ny SEG vaovao hanome toromarika manokana izay hitondrana sy hitantanana ary hanovana arakaraka ny filàna izay tadiavin’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana eto Madagasikara.Nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria no nanamafisany ny fisaorana ny Kaomandy teo aloha tamin’ny asa rehetra izay vitany ary nitso-drano ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena vaovao. Hiezaka izahay hoy izy hanaraha-maso mba hampihena faran’izay azo hatao ka tsy aho avy amin’ny asa tsy vita no hampiditra zandary any am-ponja fa avy amin’ny safidiny irery ihany.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap