airtel

Fandriampahalemana

08-mars-2022

Fandriampahalemana

Zava-doza tany Mandritsara Voaolana, voatapa-doha sy tanana ilay ramatoa

Sample post image

Tena miharatsy ny fiainana. Mitombo isa hatrany ireo karazana vono olona feno habibiana. Ramatoa iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty izay efa tsy nisy nofo intsony tany amin'ny farihin'i Mantsabory Fagnilo,

08-mars-2022

 distrikan'i Mandritsara. Raha araka ny fantatra dia niala tao Antanantsara Salohy ary haka vola amina cash point iray tany amin'ny pont Sofia no nialan'ity vehivavy tao an-tokantranony. Gaga anefa ny fianakaviana fa tsy niverina intsony Ratompokovavy raha 20km eo ho eo ny elanelan'ireo toerana roa ireo. Natao ny fikarohana nanerana ireo Fokontany saingy tsy nisy nahita azy ny olona. Nanontaniana ihany koa ilay cash point nakany vola ary fantatra fa tena nandalo tao tokoa ity Ramatoa ity satria mbola tavela tao ny laharam-pindainy. Ireo alika efa nitondra fofona maimbo nanatona ny olona tao an-tanana avy nihinana azy no nanaitra ny manodidina. Efa tapadoha moa Ratompokovavy no hita. Simba ihany koa ny fivaviany ary tsy nisy lamba intsony ny tapany ambany, fantatra fa voaolana izy. Tapaka ihany koa ny tananany izany hoe notetitetehina mihitsy izy.


Marihina moa fa olona avy nidoroka zavadomelina na niaina fampijaliana mahery vaika na vesatra fony fahakely no mahavita karazana habibiana tsy roa aman-tany tahaka izao. Efa manao fanadihadiana mikasika izao tranga mampalahelo izao moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Pati Legende : Ny karandohan'ilay Ramatoa sisa no hita toy izao
 

Dans la même rubrique