airtel

Fandriampahalemana

27-juil-2022

Fandriampahalemana

Zava-mahadomelina mahery vaika Vehivavy mpivarotra iray no tratra teny Ankazomanga

Sample post image

Vehivavy iray 44 taona afak’omaly 25 jolay tokony ho tamin'ny 8ora sy sasany maraina teny amin'ny faritra Ankazomanga rehefa nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika.

27-juil-2022

Fantatry ny polisy miasa amin'ity sehatra ity ny fisian'olona mivarotra Rox eny amin'ity toerana voalaza ity. Samy manana ny filazany azy ny faritra ny rehetra eto an-drenivohitra ka Rox no hiantsoana ny heroïne eny amin’iny faritra iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitra, nanara-maso ilay trano voalaza ary nametraka ny vela-pandrika ka tra-tehaka tao ity ramatoa ity. Mbola nahatrarana heroïne 10 fonosana tao aminy nandritra ny fisamborana azy. Araka ny fantatra, vidiany 80.000 ar amin'ny teratany vahiny iray ny iray grama. Tsinjarainy ary hamidiny 5 000 ar ny fonosana iray. Mahavita fonosana 30 ka hatramin'ny 35 isa izy amin’ny iray grama. Mahalafo 20 fonosana isan’andro izy ireo ary rehefa lany ny entana dia maka any amin'ilay olona mpamatsy azy indray izy. Iray volana sy tapany no efa namarotany sy namatsiany Rox na heroine teny amin'iny faritra Ankazomanga iny. Natolotra ny fampanoavana omaly ity ramatoa ity ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap