airtel

Fandriampahalemana

28-août-2025

ZAZA NANJAVONA TAO MAHAJANGA

Saika naholana mpitondra Bajaj, efa naboridana

Sample post image

Mila mailo sy mitandrina tsara isika manan-janaka vavikely

28-août-2025

Zaza tsy manan-tsiny vao 8 taona indray no saika haolana lehilahy lehibe iray efa 52 taona tany Aranta Mahajanga ny alin'ny 25 Aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 11 ora alina. Mpitondra bajaj izy io ary tao anatin'ilay fiarany no saika nanolanany ilay zaza. Nanjavona tao Tsararano tamin' io alina io ilay zaza raha ny fitantaran-dReniny nanao fitarainana tany amin'ny biraon'ny Polisy. Natao ny fikarohana sy ny fanarahan-dia taorian'izany ka hita tao anat'ilay bajaj efa samy tsy misy akanjo intsony ilay zaza sy ilay lehilahy lehibe. Nosamborina avy hatrany ilay tompon'antoka tamin'ity asa ratsy ity ary natolotra ny Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena miady amin'ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo, mba ho fanohizana ny fanadihadiana.
Pati
Légende : Ity ilay tsy mataho-tody saika hanimba zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique