airtel

Fandriampahalemana

14-mai-2025

ZAZA TSY HITA, ZAZA MATY NOVONOINA…

Miantso firaisankina hananganana saina mena ny olom-pirenena

Sample post image

Tsy misy izay tsy mikolay ny amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto amintsika ny

14-mai-2025

ankamaroan’ny olom-pirenena. Vono olona atsy, fanendahana aroa, fandrobana atsy….Manoloana ireo tranga ireo indrindra fa ny fanolanana miampy famonoana amin’ny fomba feno habibiana ireo zaza tsy manan-tsiny eto amintsika tato ho ato dia manentana ny amin’ny tokony hananganana saina mena ny olom-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ireo Ray aman-dReny mbola miasa saina mikaroka ny silaky ny ainy tsy hita…Ho an'ny ràn'ireo zazakely tsy manan-tsiny, voaviravira novonoina tsikelikely sady naolana mandrapialan'ny ainy. Ho fiombonana alahelo amin’ireo ray aman-drenin'izy ireo nilaozan'ny sombiniaina tampoka, satria reny aho, satria ray manan-janaka aho. Ho fanairana ny fanjakana mahefa hanao haza lambo koa mba hihetsika mafy hitady ny nahavanon-doza, hiantoka ny fandriampahaleman’ireo zaza, ankizy no tena tanjona. Lasa miaina anaty tebiteby sy mandry andriran’antsy mantsy ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny amin’izao na dia handeha hivoaka hiantsena vetivety aza.
Pati
Legende : Mangataka ny hananganana saina mena tahaka izao ny olom-pirenena !
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

Card image cap
19-juin-2025

Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy

Card image cap