airtel

Fifamoivoizana

18-mai-2022

Fifamoivoizana

67 ha Misy maka ireo vatokely hanamboaran-dalana

Sample post image

Mihisatra tanteraka ny asa fanamboaran-dalana etsy amin’ny 67 ha, avy any amin’ny lalam-baovao mivoaka etsy Ambodin’Isotry.

18-mai-2022

Efa ho 2 volana mantsy izao tsy mety vita izany no sady miteraka fitohanana eny amin’iny faritra iny. Antony mahatonga izany raha araka ny fitarainan’ny mponina ny fahataran’ilay orinasa mandray an-tanana izany. Toraka izany koa ny fanararaotana hataon’ireo olom-pirenena sasany noho ny fahasahiranana izay sahy mitaona sy mangalatra ireo vatokely hanamboaran-dalana mba ho an’ny tombontsoany manokana. Avy eny am-baravarankely ireo mponina eny an-toerana no mahatsikaritra izany indrindra fa rehefa faran’ny herinandro. Tsy misy rahateo ny mpiambina ireny fananana iombonana ireny hoy hatrany izy ireo ka mandrapialany ao an-tokantranony efa lasa ireo mpanao ratsy. Ankoatra ity eny amin’ny 67 ha ity moa dia lalana maro toy ny etsy Ankadimbahoaka miazo an’ny By pass ihany koa no misy mandavaka ary taominy sy alainy ireo vatokely na dia amin’ny andro atoandro be nanahary izao aza. Taratry ny fahasahiranan’ny mponina avokoa izany amin’ny ankapobeny ankoatra ilay toe-tsaina mampalahelo tsy tia zavatra tsara fa mandrava ny efa fotsiny.
(Sary fanehoana)
Pati
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap