airtel

Fifamoivoizana

09-févr-2024

ADY AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Nitohy teny Mandroseza ny fanentanana

Sample post image

Niditra tamin’ny andro fahafito momba ny hetsika fanentanana sy

09-févr-2024

fampianarana ireo mpampiasa lalana ny polisy avy ao amin'ny B.A.C Tsaralalana omaly Alakamisy 08 febroary 2024 . Teny aminy faritra Mandroseza indray no nanatanterahana izany ka nampahafantarany ireo mpampiasa lalana ny momba ireo lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga eto an-drenenivohitra. Voakasika tao anatin'izany ireo kodiaran-droa sy ny fiara mifamezivezy. Toraka izany koa ireo mpampiasa lalana na mpandeha an-tongotra. Tanjona amin'ity fanentanana ity ny fampanaran-dalana sy fampahafantarana ireo loza mety hihatra amin'ny tsy fampiharana ny lalan'ny fifamoivoizana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa antitra sy tranainy avokoa ny 35%-n’ireo fiara miasa sy mivezivezy eto amintsika ka ilana fitandremana na ho an’ny mpamily izany na ho an’ny mpandeha an-tongotra. Narahina fanentanana mikasika ny tokony hanajan'ireo mpampiasa lalana rehetra io lalan'ny fifamoivoizana io izany mba isorohana ny loza mety hiseho. Hatreto dia an-jatony no efa nanaovana fanentanana saingy ny fampiharana ny fahalalana azon’izy ireny sisa no andrasana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana natao omaly teny Mandroseza !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap