airtel

Fifamoivoizana

28-juil-2022

Fifamoivoizana

Air Madagascar Fanarenana lasa fandevenana…

Sample post image

Taorian’ny nipariahan’ny taratasy navoakan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) mitondra ny datin’ny 11 jolay 2022 milaza fa tsy mbola ara-dalàna noho ny tsy fahafenoany ny fepetra ka tsy mbola nahazoany

28-juil-2022

licence d’exploitation aérienne » ny Madagascar Airlines, dia nisy ny kazarana valin-kafatra nataon’ny Filoha Lefitry ny filankevi-pitantanan’io ambara fa kaompania niforona vokatry ny fiofoan’ny Air Madagascar sy ny Tsaradia ho iray io. Namoaka tamin’ny tambajotran-tserasera mantsy Rtoa Rinah Rakotomanga, fa nahafeno ny fepetra an-tsakany sy andavany, ary efa nahazo fankatoavana sy tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny IATA (International Air Transport Association) ny Madagascar Airlines (Air Madagascar+Tsaradia). « Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia azy... Ny any ivelany anefa vao handefasanao ny antotan-taratasy rehetra hanazavanao ny vahaolana mampandroso dia manohana anao, manampy anao, manoro anao... Fa isika indrisy... », hoy i ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’i Rinah Rakotomanga. Ny hoe : tafiditra ao anatin’ny IATA ve moa midika izany fa Kaompania ara-dalàna ary efa manana fahazoan-dàlana hisidina na aiza na aiza ? Ny ACM ve izany amin’izao rafitra tsy mahefa sy hatao « rond-point » hihodinana sy dinganina fotsiny raha izany ? Nanomboka ny 27 jona, voalaza fa efa miditra amin’io Madagascar Airlines io ny vola rehetra miditra. “Amiko ny fananan’ny Air Madagascar manontolo dia fananam-panjakana natao hanaovana asam-bahoaka. Fananan’y rehetra io ka tsy azo hananganana orinasa hafa tsy miankina izay hitantana fananam-panjakana. Fomba fanao ny mangataka fa tsy midika fa efa nahazo fahazoan-dàlana hanao sidina an’habakabaka no omena alalana”, hoy ny Minisitry ny fitaterana tamin’ny andron’ny Amiraly Jeneraly Tsaranazy Jean Emile tamin’ny fahitalavitra iray omaly.

FANARENANA LASA FANDEVENANA…
Ny Minisitry ny fitaterana dia efa nilaza fa tsy ara-dalàna i Madagascar Airlines io ka hofoanany. Nilaza fa hatao izay hanefana ny trosa, ary haverina ny Air Madagascar. Aminy, namotika ny Air Madagascar ireo mpitantana notarihin’Atoa Mamy Rakotondraibe sy Rinah Rakotomanga ka tsy maintsy hofongoriny, ary na hoesorina ao anaty governemanta aza izy tsy mampaninona azy. “Raha nisy ny olona nampiditra ny Orinasa Air Madagascar tao anatin'ny annexe B ka tsy nahafahan'ireo Boeing 767 sy 737 nanidina nakany Eoropa sy ireo Nosy manodidina izay an'i Frantsa nanomboka ny volana Aprily 2011 dia ny Minisitra ankehitriny miandraikitra ny Fitaterana Atoa Rolland Ranjatoelina”, hoy kosa Rtoa Rinah Rakotomanga taorian’izay. Na inona na inona fifanilihana, miharihary fa tamin’ity taona ity no antsoina amin’ny sarin-teny hoe : « crash du siècle » nampikoa tanteraka ny Air Madagascar. Mba nisy ny tsirim-panantenana nahenoana fa harenina ireo fiaramanidina Airbus A340 roa, araka ny fampanantenana nataon’ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Atoa Tinoka Roberto ny 10 novambra 2021. Nolazaina fa nanaiky hamoaka vola 5 ka 3 volana ny fanamboarana ny fanamboarana, 1 volana fampiofanana ireo ekipa hiasa amin’ireo fiaramanidina. 8 volana aty aoriana, mbola io iaraha-mahita io no olana sy savorovoro. Na ny vola aza toa nanjavona? Fanarenana sy famelomana no nampanantenaina kinanjo toa làlana mizotra makany amin’ny fandevenana tanteraka ilay Kaompania reharehan’ny Malagasy fahiny no izorana.
Toky R

Légende: Ny Air Madagascar talohan’ny fanonganam-panjakana 2009
 

Dans la même rubrique