airtel

Fifamoivoizana

10-mai-2024

Air Madagascar potika tanteraka

Ohatran’ny tsy niroborobo talohan’ny taona 2009

Sample post image

Mijery ny tahirin-tsarin’ireo fiaramanidin’ny kaompania ana habakabaka Air Madagascar

10-mai-2024

izay mbola nahitana fiaramanidina na «boeing» maromaro fahiny dia ohatran’ny tsy niroborobo izany kaompania potika tanteraka ankehitriny izany talohan’ny taona 2009, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo vavolombelon’ny tantara. Ataoko ahoana, hoy ny raim-pianakaviana iray, ny hilaza amin’ny taranako fa tena nisy izao hita amin’ny sary izao any aoriana any? Ny 40 taona niainan'i dada tato dia saika tsaroako ny atsasany, hoy koa ny zanaka mpiasa tao taloha. Nirehareha ery izy nitondra ny anaran'izany orinasa izany hatrany ivelany, hoy izy.ahoana no hilazako ireo zanako fa sary tena nisy ireo fa tsy photoshop? Taratry ny fihemoranisika izao. ATR 42 iray angamba sisa no ao? Nanomboka 2009, novaina Airbus ilay Boeing dia hoy izy; tsy mety eto amintsika io fa tsy mahazaka hafanana dia noheveriko fa vazivazy kay tena marina. Mila «gare spécial» na fiantsonana manokana ireny hoy izy. Ity Boeing ity mafy toto sady misy «secours manuel» na fisorohana loza raha misy «panne électronique» na fahatapahana. Tsy nahay zavatra betsaka aho fa azoko an-tsaina ilay teneniny. Zaraiko aminareo fa fahatsiarovana sisa ny Air Madagascar. Nisy tomponandraikitra nanimba an'io izay tsy mahalala ny tokony ataony, hoy hatrany ity zanaka mpiasan’ny Air Mad fahiny ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na hianavaratra, na hianatsimo, na hiankandrefana na hiantsinanana,

Card image cap
12-juin-2025

Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),

Card image cap