airtel

Fifamoivoizana

02-nov-2021

Fifamoivoizana

Air Madagascar Tsy maintsy hisy fandroahana mpiasa…

Sample post image

Nandefa ny raharaha any amin’ny fitsarana momba ny ady ara-barotra, “redressement judiciaire” ny Fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny raharaha Air Madagascar, izay bokan-trosa hatrany amin’ny 72 tapitrisa dolara

02-nov-2021

. Be loatra ny trosa, ka tsy maintsy mila vonjy, mila fanavotana na “dernière chance”,… hoentina manavotra azy, hoy i Rinah Rakotomanga Mpikamban’ny Filankevi-pitantanana tamina fandaharan’ny fahitalavitra Real TV ny sabotsy 30 oktobra 2021 lasa teo. Nohamafisina fa hiova tanteraka ho Madagascar Airlines, ka fanasongadinana an’i Madagasikara fa tsy ilay “Air” no isan’ny antony. Natambatra ho iray ny Air Madagascar sy ny Tsaradia satria mihena ny sarany iray manontolo raha orinasa iray no manao azy, ary mila fehezina ny "coût", hoy ny fanazavany. Ofisialy ihany koa fa misy tokoa ny fandroahana mpiasa fa tsy roahana fotsiny amin’izao. Hijery azy ireo amin’ny asa hataony aoriana, hisy fanofanana arak’asa anefa. Misy “hotesse de l’air” mety tsy te hanao ilay asany fa mety te ho mpamboly, dia anjaran’ny Air Madagascar no manao azy, misy ny te hanao varotra dia hofaninana,... Be loatra ny vesatra ny orinasa satria ny “fournisseurs” fotsiny no efa manodidina ny 600, ka tafiditra ao anatin’ny paikady ny fampihenana olona. Momba ny fanarenana, dia nambarany, fa namatotra ny fifanarahana ary mety hamandrika ny fifanarahana amina kaompania hafa, afo nandoro ny lamba toy ny tamin’ny Air Austral 6 taona, efa mailo.,.. Nambara fa tsy maintsy hiditra an-tsehatra ny Madagacar Airlines eo anatrehan’ny fisokafan’ny sisin-tany, mbola ao ireo Airbus roa, saingy tsy maintsy handalo fitsirihana. Hanofa fiaramanidina noho izany hanatanteraka sidina lavitra “Long courier”, lafolafo ny fanofana satria Boing 787-900 hiaka farany hofaina hanao ny sidina, hoy i Rinah Rakotomanga. Hisy ihany koa ny fiaramanidina iray hofaina hafa hanao ny zotra aty amin'ny ranomasina Indianina sy ny manodidina. Hampiasa ny “Certificat d'exploitation” an'ny Kaompaniam-pirenena anefa ireo. 6500, 7000 dolara eo ny “heure de vol” ka anjaranay ny miady varotra, hoy I Rinah Rakotomanga, izay nilaza fa hijery hoe iza no mety. Nambarany fa misy hampanofa 5880 an'ilay 787-900. Asa hanao ahoana indray ny ho avin’ity Kaompania Malagasy ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap