airtel

Fifamoivoizana

09-mai-2022

Fifamoivoizana

Ambanja Matin’ny fitsaram-bahoaka ilay saofera nanitsaka olona 4

Sample post image

Mpamily fiarakodia iray antsoina hoe : Chris Tonis no matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambanja ny faran’ny herinandro teo

09-mai-2022

Nandona olona maromaro tamin'ny fiara nentiny tao Ambanja izy raha tsiahivina ka ka namoy ny ainy avokoa ireoefa-mianaka voadonan tamin’izany.Tezitra sy nalahelo mafy noho izany ireo vahoaka ka nahatonga azy ireo hanao fitsaram-bahoaka tamin'ilay mpamily . Niatomboka tamin’ny fikasihan-tanana izany raha araka ny fantatra ary nihafara tamin’ny famoizan’ilay mpamily ny ainy. Nambaran’ny fianakavian’ilay mpamily moa fa tsy fidiny ho an’ity farany ihany koa no nahatonga ilay loza. Ireo fianakavian’izy 4 mianaka koa anefa vonton’alahelo ihany koa noho ireo havany maro nafoy tao anatin’ny indray mipy maso. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

Voararan’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara na inona na inona mety ho antony.Ny fitsarana irery ihany no any rafitra afaka mitsara sy mamoaka ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nisy. Ny tsikaritra anefa dia mia mitombo ny fitsaram-bahoaka ; mety noho ny tsy fahalalana na ny atezerana sy ny alahelo.Misy fanentanana sy fanabeazana tokony hatao fa raha samy hanao izay saim-pantany sy araka ny fihetsem-pony dia ho zava-doza.
Nangonin’i Pati
 

 

 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Napetraka teo anivon’ny trano fiantohana MAMA ny faran’ny herinandro teo ny atao

Card image cap