airtel

Fifamoivoizana

27-févr-2024

Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina

«Ny làlana 5 taona dia potika,

Sample post image

ny volan’ny « FR » tsy mazava, kivy ny mpamatsy vola»

27-févr-2024

Nisy omaly ny tafa tamin’ny gazety nataon’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika niresahana ireo teboka maro mikasika ny fiaraha-miasan’io Vondrona io amin’i Madagasikara. Ankoatra ny firesahany fa misy fiantraikany maneran-tany ny ady any Ukraine sy fifandonana any Gaza ka anisany iharan’izany i Madagasikara, dia nankasitrahany manokana ny fanasoniavan’ny governemanta ny faifanarahan’i Samoa izay nasolo ny fifanarahan’i Cotonou, izay lasi-pifanarahana sy fiombonan’antoka eo amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena aty Afrika, ny any Caraïbes ary Pacifique. Noresahana ny hisian’ny fiantraikan’ny tetikasa entin’ireo ekipan’i Eoropa izay nambara fa mifanojo amin’ny Politika ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE. Notsipihiny manokana ihany koa ny fisian’ny tetikasa Erasmus+ ho an’ny sehatry ny fampianarana ambony, ka vatsim-pianarana eo amin’ny 550 no isan’ny nankatoavina ao anatin’ny roa taona hositrahan’ny mpianatra sy mpampianatra Malagasy. Nampafahantarina ofisialy io omaly io ihany koa moa ny « plateforme numérique » mikasika ireo tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara. Na eo aza izany, isan’ny notsipihin’ity diplaomaty ity ny fahakivian’ny mpamatsy vola, toy ny eo amin’ny lafiny fikojakojana ny làlana amin’ny alalan’ny FER (Fonds d' entretien Routier) izay efa novain’ny fitondrana ho FR (Fonds Routier) moa, kanefa tsy vitan’i Madagasikara ny mikojakoja, tsy milamina ny fampiasana ny FR,... Manampy trotraka an’io, 5 taona dia simba ny làlana izay tokony haharitra 15 taona izay volabe an-tapitrisa dolara no atontona amin’ireny, hany ka kivy sy tsy mazoto firy intsony ny mpamatsy vola, hoy ny fanamarihany.

Nampahatsiahy fa nanara-maso ny fifidianana ny Vondrona Eoropeanina, ary nisy ny soso-kevitra sy fanintsiana momba ny fifidianana taorian’ny fifidianana 2018, saingy tsy narahina. Naneho ny tokony hametrahana amin’ny toerany ny firaisamonim-pirenena izay manana andraikitra amin’ny fampanjakana ny demokrasia. Tahaka izany ihany ny koa ny mpisintona lakolosy, izay nisy tolo-dalàna, saingy tsy noraisina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap