airtel

Fifamoivoizana

06-déc-2022

Fifamoivoizana

Ambatomirahavavy Fialamboly no natao, loza no nitranga

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny Ambodisaha Ambatomirahavavy ny Alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 06 ora.

06-déc-2022

Fianakaviana iray nandeha nialavoly nilomano kely teny Ambodisaha no tra-doza tamin’izany. Raha araka ny fantatra dia nanofa irony taxibe 138 irony izy ireo. Maika hanatitra ilay fiara nentiny anefa hono ilay mpamily tamin’io fotoana io ka nandeha mafy. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy maintsy miditra garazy amin’ny 07 ora hariva io fiara io. Vokany, nivadika ambony ambany ity taxibe ity ka vehivavy iray no namoy ny ainy rehefa tonga tany amin'ny hopitaly. Maromaro kosa ireo naratra izay nahitana zaza tsy manan-tsiny….Raha araka ny fantatra moa dia fianakavian’ireo olona tra-doza ireto ihany ity mpamily namoa-doza ity. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo naratra raha efa natao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay mpamily.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap
19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap