airtel

Fifamoivoizana

12-nov-2021

Fifamoivoizana

Ambodiafotsy Ampitatafika Torana ilay mpitondra moto nifandona tamin’ny fiara 4x4

Sample post image

Lehilahy iray nitondra moto nifandona tamina fiara 4x4 voalaza fa fiara mpitondra marary omaly hariva efa maizina teny Ambodiafotsy Ampitatafika.

12-nov-2021

 Tsy mahatsiaro tena avy hatrany ity lehilahy ity nandritra izany izay voalaza mihitsy aza fa namoy ny ainy. Raha araka ny fantatra moa dia samy nandeha mafy ny roa tonta ka tsy hita intsony izay nahafahana namaha ny olana. Raha tsiahivina dia efa amam-bolana maro ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina no nangataka tamin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny mba hahafahana mametraka casseur de vitesse eny an-toerana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao saingy tsy mbola nisy vokany izany mandraka ankehitriny. Tsy mahagaga araka izany raha misy hatrany ny loza tahaka izao eny amin’iny faritra iny.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap