airtel

Fifamoivoizana

06-févr-2024

AMBOHIMANARINA

Lehilahy 24 taona maty voafaokan’ny kamio

Sample post image

Lehilahy iray, sahabo 24 taona no nofaohan'ny kamiao lehibe iray mpitondra zava-pisotro

06-févr-2024

teo Ambohimanarina ny Sabotsy 03 febroary teo tokony ho tamin'ny 08 ora alina. Naratra mafy noho ny dona nahazo azy ity lehilahy ity ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana teny Anosivavaka. Nafindra teny amin'ny HJRA ilay naratra avy eo saingy ora vitsy taorian'ny voina nahazo azy dia tsy tana ny ainy. Tonga teny an-toerana ny BAC (Brigade des Accidents) Tsaralalana nanao fizahàna ny zava-nitranga. Notanana eo anivon'ny Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena avy hatrany moa ilay lehilahy 49 taona, mpamilin'ilay Fiara lehibe nahavanon-doza. Tamin'ny fanadihadiana azy dia nilaza ity mpamily ity fa tsy nahita ilay olona voadona io izy raha tsy efa voadonan’ny fiara nentiny ity farany. Mbola mitohy ny fanadihadiana. Efa noraisin’ny fianakaviana moa ny razana ary fantatra fa efa nalevina omaly Alatsinainy.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy voadona ! 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap