airtel

Fifamoivoizana

28-mai-2026

Ambohitrakely, Manjakaray. Anjanahary

Fiara maromaro nampidirina "fourrière" ‎

Sample post image

‎Taorian'ny fanentanana sy fampahafantarana

28-mai-2026

ary fampilazana nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia nanatanteraka fidinana ifotony ny Direction des Transports et de la Mobilité Urbaine (DTMU), Polisy Monisipaly, Polisy Nasionaly, Société Municipale de Gestion Digital (SMGD) izay notari-han'ny Filoha Lefitra Faharoan'ny Delegasionina Manokana omaly. Nampidirina “fourrière” avokoa ireo fiara izay mipetraka tsy ara-dalàna teny amin’ireo toerana efa voamarika sy efa nahazo fampitandremana mialoha: Ambohitrakely, Manjakaray ary Anjanahary ‎ ‎Tanjona: amin'izao fandaminana izao ny famerenana ny filaminana, fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna, fanamorana ny fivezivezena ary fampanajana ny fananam-bahoaka sy ny lalàna. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny hetsika eny ifotony ho an’ Antananarivo madio, milamina, mendrika kokoa, hoy ny fampitam-baovaon'ny kaominina. A ENCADRER Tsy vao izao no nisy hetsika tahaka ity fa samy efa nanao izany avokoa ireo mpitantana nifandimby. Ny olana dia tsy mitohy ny hetsika fampanajana ny lalàna hany ka afaka 1 volana eo farafahaelany dia efa miverina indray ny gaboraraka.
Nangonin'i RTT

Dans la même rubrique

28-mai-2026

toerana nampitaraina ny mpampiasa lalana

Card image cap
28-mai-2026

Mangataka ny hanamboarana azy ny depiote Mariette

Card image cap
28-mai-2026

Takiana ny fiaraha-mientan’ny rehetra»

Card image cap
26-mai-2026

Tonga nitsidika tany Fandriana ny

Card image cap
26-mai-2026

Nanamafy tamin’ny alalan’ny fandaharana

Card image cap